Nifanenjehana ilay fiara ary nosamborina avy hatrany ny mpamily azy. Ny antony dia noho ny fandrohitany ny jiro krismasy izay haingon-tanàna tetsy ivelan’ny lapan’Ambohitsorohitra. Raha ny filazan’ny olona izay nahita dia efa nisy nanome marika izy fa voasaringotra ireo jirojiro kanefa mbola notohizany ihany ny lalany. Vokatr’izany dia niongotra tanteraka ary tamin’ny metatra maromaro ireo jiro. Taitra hatramin’ny mpiambina ny lapa sy ny mpitandro ny filaminana raha nahita izanya ary nihazakazaka ny nanenjika ilay fiara lehibe. Tsy dia ady hevitra fa avy hatrany dia nampakana sisiny ny kodiaran’efatra ary nentina teny amin’ny biraon’ny polisy ny olona. Tsy nisy andrasoandraso fa avy hatrany dia nosokafana ny fanadihadiana azy. Raha ny alatsinainy hariva no nitranga ity patsa iray tsy omby vava ity ho an’ilay mpamily, ny talata izy dia efa natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja avy hatrany noho ny fanimbàna fananam-bahoaka. Tsy vitan’ny efa sempotra ny renivohitra fa mbola baranahiny koa. Mbola azo hanaporofoana izany ny nitranga tetsy Soanierana sy Ambohimangakely. Ny voalohany, ny làlana izay natao asa natao « Tagnamaro », izany hoe ny nifandrimbonan’ny olom-pirenena, dia nisy kamiao izay nifaoka koa ny barazy izay tsy hahafahan’ny fiara avo mandeha. Efa hita izao fa tsy afaka ilay fiara ary voarara ny fandehanany eo mba ho fikolokoloana ny làlana, mbola noteren’ilay mpamily sy ny mpanampy azy nizoràna ihany. Natao ny fikarohana ary nidoboka am-ponja koa ireo noho ny fanimbàna fananam-bahoaka. Tetsy Ambohimangakely indray dia mpamily mamo no nifatratra tao amin’ny zaridaina maintso izay natao Tagnamaro. Izany rehetra izany no zary lasa iainana eto an-drenivohitra. Ezaka lehibe ny fanarenana ny toe-tsaina satria na inona na inona fotodrafitr’asa sy fanatsaràna izay hiainga dia mbola ho potipotika hatrany noho ny toe-tsaina izay zatra goragora. Hateto dia ny sazy hatrany no làlana no tsy maintsy ampiharina ho an’izay mpanimba ny fananam-bahoaka. Angamba mbola miandry ireo zaza izay beazina any am-pianarana ankehitriny ary ho lehibe any aoriana vao miarina indray ny toe-tsaina izay lomorana tanteraka.
D.R