- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbolokandrina : Mpamaky tranotra-tehaka niaraka tamin’ny basy kilalao

Ambolokandrina : Mpamaky tranotra-tehaka niaraka tamin’ny basy kilalao

Efa niomana tamin’ny fitaovana rehetra ingahirainy ary niezaka nisikotra ny varavaran’ilay trano. Efa saika « tafa » ihany araka ny fitenin’ny tanora, saingy tonga tampoka teo am-panantanterahana ny asa ratsiny ny pôlisy, rehefa nahazo fampandrenesana.

Na talohan’ny fety, na izao aorian’ny fety izao dia anisan’ny vanim-potoana mampirongatra ny vaky trano sy halatra isan-karazany. Toy ity nitranga teny amin’iny faritra Ambolokandrina ity. Lehilahy iray manodidina ny 29 taona mantsy no voasambotry ny pôlisy, noho izay resaka vaky trano izay, ny andro faharoa tamin’ity taona vaovao ity. Ny tena loza dia efa ary fitaovana rehetra ranamana ary efa niomana tanteraka ny amin’izay mety ho zava-nitranga, satria nahitàna fitaovam-piadiana tany aminy. Ankoatra ny antsy maranitra dia nisy ihany koa basy … basy kilalao !

Araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any  ingahirainy no voasambotra. Nahazo fampandrenesana mantsy ireo pôlisy mpanao fisafoana ka nidina avy hatrany teny amin’ny toerana voalaza. Mbola io, eo tokoa ingahy, somokitra dia somokitra teo am-panaovana ny asany. « Noraisim-potsiny [izy ] sy tsy afa nanohitra intsony », hoy ny vaovao. Natao avy hatrany ny fisavàna, ka tamin’izay no nahitàna ireo fitaovana sy fitaovam-piadiana tany aminy ireo. Nentina nihazo ny kaomisaria avy hatrany moa ranamana ho amin’ny famotorana ary natolotra ny Fampanoavana taorian’izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici