- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbolokandrina : Mpivady mpanendaka, tra-tehaka niaraka tamin’ny sabatra

Ambolokandrina : Mpivady mpanendaka, tra-tehaka niaraka tamin’ny sabatra

Amin’ny folo ora sy sasany alina, tamin’ny talata teo, teny amin’iny faritra Ambolonkandrina iny. Handeha hamonjy ny fodiana ity lehilahy iray, nitondra môtô, kanjo tampoka teo, nisy vehivavy iray nitsoraka teo anoloany. Dify kely monja no tsy nahavoaray ny kodiarana azy ary tafajanona ara-potoana ity mpitondra môtô, izay efa saika nianjera. Vantany vao tafajanona anefa ity farany, tampoka avy any, nisy lehilahy iray namonjy taorianany ary nanambana sabatra azy. Nandrahoana ny hanome izay rehetra tany amin’ity lehilahy ity. Soa ihany, nisy nahatsikaritra ny zava-nisy ary ireto farany no niantso ny mpitandro filaminana. Tonga avy hatrany sy tao anatin’ny fotoana fohy ireo pôlisy miasa eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa. Noraisim-potsiny ireto olon-dratsy, izay tsy nahavita akory ny zavatra nokasainy atao. Raha ny fanazavana azo dia mpiray tsikombakomba tanteraka ireto olona ireto, izay mpivady ihany koa, saingy miara-mihosona manao asa ratsy. Azo heverina fa fomba fanaon’izy ireo tokoa izany zavatra izany ary azo inoana fa efa maromaro ihany ireo efa lasibatra. Niara-nosamborina moa ireto farany ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria atao famotorana.

Tato ho ato tokoa izay dia saika ireo mpitondra môtô amin’ny alina foana indray no saika lasibatr’ireo olon-dratsy. Vao tsy ela ihany koa mantsy fa tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo no nisy mpitondra môtô, nohenjehin’ny mpanendaka, izay mitondra môtô ihany koa teny amin’iny faritra Amboditsiry mihazo an’i Masay iny. Ny loza dia efa misy naman’izy ireo ihany koa miandry fotsiny ery ambanimbany. Asian’izy ireo tadim-pintana mibahana ny arabe ka tsy maintsy mianjera vokatr’izay ilay mpitondra môtô. Amin’izay fotoana izay izy ireo no manatanteraka ny asa ratsiny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici