Efa betsaka izay andian-jiolahy sy fitaovam-piadiana tratra sy saron’ny mpitandro ny filaminana izay, fa mbola miparitaka hatrany ireo fitaovam-piadiana eny am-pelan-tanan’ny ireo jiolahy eto Toamasina. Omaly alakamisy tokony tamin’ny mitatao vovonana izao dia tranom-barotra iray tao Ambolomadinika mpivarotra kiraro “Aigle d’Or”, no notafihan’ny jiolahy mitam-basy PA. efa-dahy izy ireo no nanao izany raha ny fanazavana azo ka ny roa niditra ny tranom-barotra, ny iray niandry ny varavarana ary ny iray farany niandry ny môtô roa nandehanan’izy ireo tety ivelany. Ny vola maty ny tapak’andron’ny omaly maraina no nangalarin’ireto andian-jiolahy efatra ireo nandritra izany raha ny fanazavana izay tsy fantatra ny isany noho ireo mpiasa tao amin’ity tranom-barotra ity mbola tsy nanao kaonty ny vola niditra taminy nandritra ny fanafihana nahazo ireo tamin’izany. Tsy nisy aloha ny maty nandritra izao fanafihana ny volan’ny tranom-barotra “Aigle d’Or” izany, fa ny tahotra no betsaka noho ireto andian-jiolahy tena nilaza ny tsy hitsitsy raha misy ny mandika ny fangatahan’izy ireo sy fepetra izay napetrany tamin’izao fanafihana izao. Tsy nisy naha-hetsika ihany koa ny olona tety ivelany izay fotoana maha-be ny mpivezivezy amin’ny lalana. Ny polisy ny FIP no tonga mialoha noho izy ireo nisy niantso mialoha tamin’izao raharaha izao, nefa nandritra ny fotoana fahatongavan’ny polisy ny FIP efa nanjavona tsy hita ireto jiolahy. Ankoatra izay dia eo am-pikarohana ireo telo lahy tena atidoha mpampiasa ilay basy kalaky sy PA miisa efatra s bala maro be saron’ny polisy teto Toamasina ny mpitandro ny filaminana izao, ireo dimy mianadahy efa voasambora kosa dia miandry ny fitsarana azy am-ponja ankehitriny.
Malala Didier