Ny alin’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any no namoy ny ainy, tany amin’ny hôpitaly nitazomana azy ilay lehilahy nisy nitifitra tetsy Ambolokandrina, rehefa tsy nahatsiaro tena tao anatin’ny ora maromaro. Raha tsiahivina dia ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo ity lehilahy iray 28 taona ity no nisy nitifitra, raha iny izy handeha hamonjy fodiana iny. Efa tonga teo an-tranony mihitsy moa izy tamin’io fotoana io ary handeha hivoaka hamoha ny vavahadiny iny no nanararaotan’ireo na ilay olona namono azy. Nirefotra indray mandeha ny basy ary nahazo ny fitaratra aorian’ilay fiara nentiny tamin’io fotoana io. Taitra tamin’io ny lehilahy ary niolomay handeha hivoaka ny fiara. Tamin’izay indrindra anefa no niantefa teny amin’iny lohany ny bala iray. Nidaraboka izy ary nandriaka ny rà. Noheverin’ireo mpamono fa maty teo ity lehilahy ity rehefa tsy nihetsika intsony, ary lasa nitsoaka izy ireo niaraka tamina kitapo kely iray tao anatin’ilay fiara. Kitapo izay marihana araka ny angom-baovao azo fa tsy nisy afa-tsy vola tsy dia betsaka ary atonta-taratasy maromaro izay mahakasika ny fiainany manokana. Ny marain’io, ora maromaro taorian’ny fahavoazana nahazo azy vao nisy nahatsikaritra izy nitsirara tao anaty rà mandriaka. Mbola nisy aina teo ny lehilahy saingy tao anaty tsy fahatsiarovan-tena tanteraka kosa. Tamin’ny fitondrana azy haingana tany amin’iny toeram-pitsaboana no nahafantarana fa mbola misy bala tavela tao anaty lohany. Ary na dia teo aza ny fikelezan’ireo mpitsabo aina, niezaka namonjy azy dia tsy tana intsony ny ainy ny alahady alina teo. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony sy nanao ny fanadihadiana moa ireo pôlisy misahana ny heloka bevava sakelika fahatelo etsy Anosy. Andrasana araka izany izay vokatry ny fanadihadiana.
m.L