- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbolonkandrina : Olona nivarotra fanafody mahasolo rongony voasambotra

Ambolonkandrina : Olona nivarotra fanafody mahasolo rongony voasambotra

Lehilahy iray antsoina hoe Tsiresy S. R. no nosamborin’ny polisy miady amin’ny fihanahan’ny zavamahadomelina teny Ambolokandrina, ny talata teo. Tratra nivarotra fanafody lany daty sy fanafody mahadomelina izy io. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, tsy manana taratasy fahazoan-dalàna hanao izany akory ity olona ity. Fanaony ny mitety tokantrano manangona sy mividy fanafody lany daty, dia ireny indray no amidiny. Ny vaovao hatrany no nahafantarana, fa nahafeno fiara lehibe iray ny baoritra misy ireto fanafody ireto, ka hita tamin’izany ny fanafody mahadomelina maro toy ny AZEFOM. Efa ho efatra taona no nanaovany ity fivarotana ity
Ankoatra izany, vehivavy iray 39 taona ihany koa no nosamborin’ny polisy teny Ankaraobato, noho ny fivarotana rongony. Afeniny amin’ny fivarotana ranomanitra sy friperie ireto rongony ireto. Rongony efatra sakaosy lehibe milanja 50kg no tratra tao aminy. Tamin’ny fanadihadiana no nilazany, fa avy any Betroka ireto rongony ireto, ka   510.000 Ariary no nividianany azy. Tsinjarainy amin’ny sachet dia amidiny 25.000 Ariary ny iray, amin’ireo mpaninjara.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser