Omaly tokony ho tamin’ny 3 ora, nisy hain-trano niseho teny amin’ny faritra Ambolonkandrina. Trano iray misy rihana no nirehitra tamin’izany. Ny vaovao voaray teny an-toerana no nahafantarana fa, ana mpitandro filaminana izy io. Voalazan’ny vaovao fa ity lehilahy ity irery no tao an-trano tamin’ny fotoanan’ny fahamaizana. Natory izy ary tsy nahafantatra izay zavatra niseho akory. Ny olona taty ivelany no nahatsikaritra ny afo. Ny vaovoa hatrany no nahalalana fa, may tanteraka izy satria efa tafakatra hatrany amin’ny “3é dégré” izany. Efa tsaboina any amin’ny hopitaly ity olona ity amin’izao fotoana izao. Ny nahafantarana fa ao an-trano ao izy, dia ny zanany tonga ary niteny tamin’ny olona fa ao ny rainy. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina ny nahatonga ny fahamaizana. Misy zavatra hafahafa tsikaritr’ireo zanany mantsy.Tsy teny amin’ny rainy intsony ny peratra teo amin’ny tànany. Nisy zavatra hafa ihany koa nanjavona tao an-trano, tsy fantatra na may na ahoana.
nangonin’i r.s.