Nisehoana fanafihana mitam-piadina teny amin’iny faritra Ambohimiandra iny, omaly hariva tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any. Araka ny nambaran’ireo pôlisy tonga teny an-toerana dia teo amin’ny dimy lahy teo izy ireo no niditra an-kerina tamina « bar » iray. Ny iray tamin’izy ireo ihany no nisaron-tava, ary fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny kalaky no teny an-tanan’izy ireo, raha ny fanazavana azo. Tsy nisy alaharo alaharo, araka ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso fa avy hatrany dia nanao amboletra niditra izy ireo, nanapoaka basy. Ny zanaky ny tompon-trano no somary nanohitra ka avy hatrany dia nodarohin’ireo olon-dratsy, ary naratra mafy vokatr’izay, raha ny fanazavana azo hatrany. Lasan’ireo jiolahy tamin’ity fanafihana ity ny vola tao amin’io fivarotana io, izay voalaza fa volana fahana. Azon’izy ireo izay notakiana dia rifatra nitsoaka izy ireo. Teo vao afaka niantso ireo mpitandro filaminana ireo voatafika. Iretsy voalohany izay tonga haingana teny an-toerana saingy toa efa dila lavitra ireo olon-dratsy. Mbola teo am-panaovana savahao ny manodidina izy ireo, hatramin’ny ora nanoratanay, raha ny fantatra.
m.L