Hataraina ny an’ilay Ramatoa fantatra amin’ny fiantso hoe : Maman’i Laina, rehefa nahatazana vehivavy iray manodidina ny telopolo taona eo, efa tsy nisy aina intsony teny amin’ny reniranon’i Kamoro, kaominina ambanivohitra Ambondromamy, any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny, faritra Boeny ny Zoma faha 05 Septambra taona 2025 teo, tokony tamin’ny 11 sy sasany maraina tany ho any. Tsy niandry ela Maman’i Laina taorian’ny nahitan’ny razana fa nampandre ny manam-pahefana sy ny polisim-pirenena, ary ny mpitsabo tao Ambondromamy an-tapon-tanàna mba hanao fizahana. Dobo an-drano no nahafaty ity Ramatoa ity, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo manampy azy teny an-toerana. Taorian’izay dia noentina eny amin’ny lapan’ny tanàna ao Ambondromamy ny razana, satria tsy nisy izay nahafantarana ny momba azy.
Ratantely