- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondromamy : Dahalo tratra ambodiomby, maty voatifitra

Ambondromamy : Dahalo tratra ambodiomby, maty voatifitra

Ara-bakiteny tokoa eto ny « ambodiomby » satria teo am-pamoahana ireo omby saika hangalarin’izy ireo no tonga ny zandary. Raikitra ny fifanjevoana ka iray tamin’ireo olon-dratsy no maty voatifitra.

Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo, nitrangana halatra omby tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Ampasambazaha, fokontany Ambondromamy centre. Saika hataon’ireo olon-dratsy soko ny ombin’olona saingy nisy nahatsikaritra ny zava-niseho ary nampandre avy hatrany ny zandary. Tonga ara-potoana moa ireto farany raha vao nahazo ny fanairana. Tetsy andanin’izay kosa mbola nikonokonona fatratra teo am-pangalarana omby iretsy olon-dratsy. Vantany vao nahatazana ireo mpitandro filaminana anefa dia niezaka ny nanohitra avy hatrany ka raikitra teo ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Tao anatin’izay no nahavoatifitra ny iray tamin’ireo olon-dratsy, raha tafaporitsaka kosa ny namany telo. « Manao fanamby ny zandary fa tsy maintsy voasambotra izy ireo », hoy ireo mpitandro filaminana ao amin’ny pejiny.

Fa ankoatra ity tao Ambondromamy ity dia olon-dratsy iray ihany koa no nihazo ny varo-tsy-mifody, ny alarobia teo, tao Bekipay, distrikan’i Mitsinjo, any amin’iny faritra Boeny iny hatrany. Araka ny fantatra dia isan’ireo olon-dratsy voarohirohy tamin’ny raharaha vono olona tao Ankaraobato izy ireo. Tsy nanaiky mora ny fisamborana ireo farany fa avy hatrany dia nanohitra ireo mpitandro filaminana ka raikitra ihany koa ny fifandonana, ka nahalavo ny tamin’ireo olon-dratsy. Niisa efatra kosa no voasambotra. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana any an-toerana, izay sahanin’ireo zandary ao Manaratsandry, araka ny fampitam-baovao azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici