- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondromamy Mahajanga : Nisy nikasa hifofo ny ain’ny lehiben’ny fokontany

Ambondromamy Mahajanga : Nisy nikasa hifofo ny ain’ny lehiben’ny fokontany

Nokasaina hovonoina saingy tsy maty, ny lehiben’ny fokontany tao Ambaliha, kaominina Ambondromamy, distrikan’Ambato-Boeny. Andian-dahalo maromaro no nanafika azy tao an-tokantranony , ny alarobia 22 may lasa teo. Lonilony no niteraka izao teti-dratsy izao, hoy io lehiben’ny fokontany io. “Vao nandray ny toerana mantsy ny tenako”, hoy izy, “dia nametraka lamina hentitra hentina hitandroana ny fandriampahalemana any amin’ny faritra misy anay”. Tsy zakan’ireo efa mpanao lalan-dririnina anefa izany ka izao niafara tamin’ny fitifirana azy izao. Enin-dahy nirongo basy izy ireo no niaraka, hoy Jacquelin Andriampenomanana. “Raha iny mipetrapetraka teo an-tokotany iny izahay mivady indray hariva no nisy nikorofoka tao ambadika. Vao nanontany aho hoe iza izany? Avy  dia nitifitra ahy ny roa lahy nitam-basy. Vao naheno fipoahana ny teo an-tanàna dia samy vaky nandositra tany anaty ala, eny fa na hatramin’ireo zandary tsy lavitra fa 150m miala ny trano fonenako aza”, hoy izy, “tsy sahy nanatona fa nanao tifi-danitra fotsiny. Taorin’izay no vaky nandositra ireo dahalo, tsy nisy entana na fananana nalainy na ny iray aza. Rehefa fantany fa voa aho dia lasa izy ireo”. Ny togony havia no naratra mafy vokatr’ilay tifitra. Nivoraka satria niparitaka tao amin’ny ranjony ilay bala.  Avy hatrany dia nentina namonjy hopitaly lehibe taty Mahajanga notsaboina ao amin’ny hopitalibe Androva hatramin’izao.

Tanàna ambanivohitra Ambaliha. 17km miala ny kaominina Ambondromamy. Malaza amin’ny  tsy fandriampahalemana raha toa ka nangingina tao anatin’ny 3 volana lasa. Teo aloha, saika isan-kerinandro no misy fanafihana mitam-basy, hoy ity lehiben’ny fokontany ity. Lasan’ireo dahalo avokoa ny omby ao an-tanàna sy ny vidim-bokatra rehetra. Tsy voafehy nefa fantatra fa tanora ao an-tanàna ihany no mikononkonona ireo teti-dratsy sy miantso vahiny avy any ivelany. Misy mihitsy ireo ray aman-dreny no mandrisika ny zanany hanao ny asa ratsy ka miteraka tambajotra iray mampihorohoro ny ao an-tanàna, miaraka amin’ireo vahiny hafa hafarana avy any Tsaratanana, Tsararova ary Sarobaratra.

Manao antso avo araka izany ireo mponina any amin’iny toerana iny, ny mba hanatonan’ny fitondrana akaiky io faritra io. Mahatsiaro ho lavitra andriana izy ireo, nefa toerana mamokatra mamatsy ny tanàn-dehibe na amin’ny lafiny fiompiana io na ny fambolena.

Tantely Vandriam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici