- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbondromamy : Mpitondra môtô notafihin’ny jiolahy ny sasakalin’ny krismasy

Ambondromamy : Mpitondra môtô notafihin’ny jiolahy ny sasakalin’ny krismasy

Tsy niandry ela fa ny andron’ny krismasy ihany dia voasambotry ny zandary avy ao Ambondromamy ny iray tamin’ireo mpanafika. Nikasa ny hitsoaka indray anefa ingahirainy ny ampitson’io saingy maty voatifitra.

Nieritreritra ny hanao fety miadana niaraka tamin’ny entana halatra ireo olon-dratsy, saingy tsy izay no niseho. Ny alin’ny 24 desambra lasa teo tokoa mantsy dia nisehoan’ny fanakanan-dalana sy fanafihana mitam-piadiana tao Ambondromamy. Mpitondra môtô iray no lasibatr’ireo jiolahy tamin’io fotoana io, ka lasan’izy ireo ilay kodiaran-droa sy ny entana maromaro tany amin’ity lehilahy ity. Rehefa nampandrenesina ny zandary dia nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha, eny fa na dia andro fety aza. Tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely mihitsy mantsy no nahazo vaovao izy ireo fa miafina eny Manerinerina ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto mpitandro filaminana ary niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana rehetra tafalatsaka tao anatin’ny haraton’izy ireo ilay jiolahy. Jiolahy izay fantatra fa efa rain-dahiny tanteraka ary isan’ireo nanafika tokoa tamin’io sasakalin’ny noely io. Nandritra ny fakàna am-bavany azy, hoy ny fampitam-baovao azo, no nanoro ireo namany, izay nandray anjara tamin’ilay fanafihana mpitondra môtô ingahirainy. Ny ampitson’io, ny alatsinainy alina teo, niaraka tamin’ireo zandary, hanoro ny toerana nisitrihan’ireto namany izy. Saingy tamin’izay fotoana izay, nanararaotra ny fahaizany ny toerana sy ny andro maizina ny lehilahy ary nanapa-kevitra ny hitsoaka. Fahadisoana bevava. Niezaka nanajona azy tsy hanohizany ny fitsoahana moa ireto mpitandro filaminana saingy mbola nanana ny lohany ity farany. Hany ka voatery nitifitra ireo nitondra azy. Naratra mafy, saingy indrisy moa fa tsy tana intsony ny ainy, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Ireo entana lasan’izy ireo niaraka tamin’ilay môtô kosa moa dia efa hita soa aman-tsara avokoa ary efa naverina tamin’ny tompony, taorian’ny fitsirihana azy ireo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy hafa, naman’ity voatifitra ity, any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici