- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondromamy : Olona telo kilan’ny afo, nodorana niaraka tamin’ny tranony

Ambondromamy : Olona telo kilan’ny afo, nodorana niaraka tamin’ny tranony

Nitrangana loza mahatsiravina tao an-tananan’i  Vohitsara, fokontany sy kaominina Ambondromamy, distrikan’i Maevatanana ny alin’ny Alatsinainy hifoha Talata teo tamin’ny misasak’alina. Trano tafo bozaka iray no may raha mbola tena tao anatin’ny torimaso tanteraka ny tompon-trano. Tsy fantatra marina no nanombohan’izany afo izany fa araka ny voalazan’ny zandary izay manao ny famotorana amin’ity raharaha ity dia tamin’ny efa tamin’ny 1 ora sy 45 minitra izy ireo no nahazo antso avy amin’ny an-telefaonina nataona mponina iray tao amin’io tanàna io. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambondromamy. Hita tamin’izany fa may tanteraka ilay trano ary olona telo no hita fa maty may tao. Ramatoa renim-pianakaviana 24 taona ny iray ary  ny roa kosa dia ankizilahy kely vao 2 sy 4 taona monja. Araka ny fanampim-baovao hatrany dia toa hoe mpianaka ireto olona ireto. Ny fanadihadiana vonjy maika nataon’ny zandary no nahitana fa niniana nodorana ity trano ity. Mitohy arak’izany ny fikarohana izay nahavanon-doza tamin’izao raharaha izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici