Ny alarobia lasa teo no very tao Tsaramandroso ny zaza telo mianadahy. Mpianatra amin’ny sekoly ambaratonga fototra ao Andranomandevy ireto zaza ireto araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Ary iny izy ireo nirava avy nianatra iny, ary an-dalam-podiana no tsy tonga intsony tany an-tranon-dray aman-dreniny. Nanomboka teo ny fikarohana ireto ankizy very ireto. Raha ny nambaran’ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Tafika, dia nanatona avy hatrany ireo miaramila avy ao anivon’ny Zrps Delta tany an-toerana ny ray aman-drenin’ireto zaza ireto, mba hanampy azy ireo amin’ny fikarohana ireto zaza very. Nandray ny andraikitra tandrify azy ireo avy hatrany ireto miaramila ireto ka niroso tamin’ny fitsongoana dia sy fikarohana ireo zaza very. Taorian’ny angom-baovao isan-karazany dia fantatra fa voatazona tamin’ny tokatranona lehilahy iray tany an-toerana izy ireo. Lehilahy izay voalaza fa nangalatra sy nitondra ireto ankizy ireto tany aminy. Izay antony hatreto no tsy fantatra. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy voalaza fa mpangala-jaza ity ary natolotra ireo tompon’andraikitra amin’ny resaka fanadihadina. Ireo zaza telo mianadahy kosa dia efa tafaverina soa aman-tsara any an-tokatranon’ireo ray aman-dreniny. Ny zandary ao Ambondromamy, hoy hatrany ny vaovao no misahana ny raharaha.
m.L