Nirifitra nitsoaka ireo olon-dratsy raha vao naheno ny firefotry ny poleta. Dimy lahy nitondra basim-borona roa no nanafika tao amin’ny tokantrano iray tao Ambondrona, ny alin’ny alahady teo. Nihemotra tampoka ireo rehefa narefotry ny tompon-trano ny basy. Saingy basy fanairana, irony fampiasa amin’ny fampahafantarana ny fiaingana amin’ny atletisma ireny izy io, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Midika izany fa efa miaro tena ny olona manoloana ny asan-jiolahy izay misesy ary mitady iny fomba rehetra entina hanoherana ny olon-dratsy. Amin’ny varotra eo anivon’ny tranonkala, dia efa ahitana fitaovam-piadiana ; izay matetika no tsy ilàna fanomezan-dàlana avy amin’ny manampahefana. Saingy ny indro kely, dia mety ho efa mampiasa teknolojia koa ny jiolahy ary mba mividy izany ihany koa…
D.R