- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondrona : Mamaky trano ny mpantsaka rano

Ambondrona : Mamaky trano ny mpantsaka rano

Vitsy sisa ny olona azo itokisana ka azo ampidirina an-trano. Tetsy Ambondrona, olona mpantsaka rano amin’ny « bidon jaune » ary efa zatra mamatsy rano amin’ilay tokantrano no nivadika tampoka. Nodarohany ilay ramatoa mpanakarama azy ary efa nanomboka nangorona ny entana tao an-trano izy no raikitra ny antso vonjeo. Nifarimbona ny mpiray tanàna ary nitsoaka ilay olon-dratsy. Niditra an-tsehatra nanenjika koa ireo mpiambina hotely teo an-toerana ary mba voasambotra ihany ilay mpamaky trano miafina amin’ny asa mpantsaka rano. Saingy tsy nilamina teo ny raharaha satria tao anatin’ny fotoana fohy dia tonga avokoa ny jiolahim-boto naman’ilay olon-dratsy naka azy. Tsy afa-nanohitra intsony ny mpiambina ary dia afa-maina ny mpamaky trano. Rehefa tonga ny polisy dia raikitra fifanenjehana be teo amin’ny manodidina. Efa mandeha ny feo fa tadidin’ny olon-dratsy ilay ramatoa vaky trano ary hovalian’izy ireo faty. Mihorohoro avokoa ny manodidina noho ny afitsok’ireto mpantsaka rano ireto. Ny rano anefa tsy misy afa-tsy izy ireo ihany no afaka mahazaka mitatitra izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici