Tao amin’ny toeram-pisotroana iray eo an-toerana no nitranga ny fifandirana. Raha ny fantatra hatreto, avy amin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana, dia teo amin’ny fandoavam-bola vidin’ny toaka no nisy olana. Olona maromaro, avy nanao famadihana, ny alin’ny asabotsy teo, no tonga tao amin’ilay bar ary nanohy ny lanonana avy natrehin’izy ireo. Rehefa elaela tao, rehefa niakatra ny toaka, dia nivadika zavatra hafa mihitsy ny lanonana. Tonga hatramin’ny fifampikasihan-tànana sy vely tavoahangy. Ny tompon’ilay toeram-pivarotana no tena voa mafy tao anatin’izay. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana izy mba ho fanavotana ny ainy saingy tsy tàna intsony izany. Nitory ny havany ary olona 16 isa no indray nosamborina sy nentina eny amin’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava. Nisy ihany koa ny naratra tao anatin’ity raharaha ity. Marobe ny havan’ny maty no tonga teny amin’ny tranom-paty ny alin’ny asabotsy io ihany ary tena tao anatin’ny hatezerana tanteraka. Izany rahateo no nahatonga ny mpitandro ny filaminana nanatontosa faran’izay haingana ny fisamborana ireo ahiana ho tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona ity. Nahiana mantsy teo ny mety hisian’ny valifaty. Ny andron’io ihany dia efa nanomboka ny fisamborana. Mbola io sabotsy io ihany koa no nisy tranga saika mitovy amin’izao teny Itaosy. Io indray dia roalahy nanaovan’ny valo hafa tambabe. Ny iray maty na dia teo aza ny fitsaboana azy ary ny faharoa kosa naratra mafy. Mbola misy hidiran’ny amin’ny toaka hatrany izany, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana hatrany. Olona roa izany no maty ny alin’ny asabotsy noho ny resaka rombo izay ny toaka no antony voalohany. Malalaka loatra ny fivarotana an’izany ary isan’ny mpiboboka voalohany toaka rahateo ny Malagasy eto ambonin’ny tany. Vao maraina handeha hiasa dia efa misy olona miditra ny bar ary mandra-paharivan’ny andro dia mitombo tsy ankijanona izany. Lasa mafibe ary migafy ny sasany ary tsy vitsy ihany koa ny lasa manao asan-jiolahy. Tsy misy ny lalàna afaka mandrara ny olona tsy hisotro, ankoatra ny tsy ampy taona, sy ny fivarotana toaka rehefa migadona ny amin’ny sivy ora alina. Io farany aza dia tsy mbola mihatra tanteraka fa miovaova be ihany…
D.R