- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbondrona : Metisy sinoa voatsatoka antsy tamin'ny andro antoandro

Ambondrona : Metisy sinoa voatsatoka antsy tamin’ny andro antoandro

Amin’ny telo ora folakandro, amin’ny fotoana tsy nampoizin’ny maro hitrangan’izany, no nanao ny nataony ny jiolahy. Telo lahy madio ary tsy ampoizina mihitsy hoe mpanendaka, no nanao herisetra tamin’ny tovolahy iray, metisy sinoa, izay niaraka tamin’ny sipany. Notsatohan’ireo antsy avy hatrany izy teo amin’ny arabe. Izany dia mba nahafahana nangalatra ny finday marika LG sy ny firavaka volamena teny aminy. Tetsy Ambondrona, ny asabotsy lasa teo, no nitrangan’izany herisetra izany. Efa fifofoana ain’olona mihitsy aza, satria naratra be avy hatrany ilay tovolahy ary voatery nentina faran’izay haingana tany amin’ny hopitaly mba ho fiarovana ny ainy. Tsy nahavita nihetsika ilay tovovavy niaraka taminy noho ny tsy nampoizina sy ny tahotra. Ny olona teo amin’ny manodidina no nanampy tamin’ny fitondrana ny marary tany amin’ny toeram-pitsaboana. Ireo telo lahy kosa dia niditra tany anaty elakelan-trano dia nanjavona tany. Ankona ny olona raha nahita ny zava-nitranga, mbola tao anatin’ny lera fivezivezen’ny mpandeha an-tongotra rahateo izany amin’ny telo ora folakandro izany. Isan’ny tena nahatalanjona ny maro ihany koa dia ny momba ireo mpanendaka izay sady madio no tsara fiakanjo. Tsy nampoizina mihitsy hoe jiolahy…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser