- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondrona : Mpandalo voavely tamin’ny “bois rond”

Ambondrona : Mpandalo voavely tamin’ny “bois rond”

Naman’ireo teny Ivato ve ? Tsy fantatra intsony aloha. Tranga iray niseho omaly hariva, teny amin’iny faritra Ambondrona iny, olona sendra nandalo tamin’iny faritra iny no nisy nively tamin’ny hazobe. Araka ny filazan’ireo nahita maso dia tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany teo ho eo, andiana tovolahy maromaro, niisa teo amin’ny enina teo no nivezivezy teny amin’iny faritra iny. Saika mitovy avokoa ny akanjo nanaovan-dry zalahy ireto, satria samy manao irony “capuchon” irony miakara amin’ny “jeans”. Olona iray, handeha hiantsena sa handeha hody hamonjy fodiany no sendra an’izy ireo ka avy hatrany dia niantefa teny aminy ny “bois rond” misy fantsika. Naratra mafy ary torana teo mihitsy ity olona ity, raha ny filazan’ireo teny an-toerana hatrany. Noezahina nentina novonjena haingana tany amin’ny tobim-pahasalamana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser