- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondrona : Mpitaky vola notafihana telolahy, voatifitra teo amin’ny kibony

Ambondrona : Mpitaky vola notafihana telolahy, voatifitra teo amin’ny kibony

Nandriaka vao maraina indray ny rà tetsy amin’iny tohatohabaton’Ambondrona iny omaly. Tovolahy vao herotrerony, karazan’ireo mpanangona sy mpitaky vola irony indray no lasibatry ny jiolahy niisa telo nirongo basy. Mba ahazoana ny sakaosy nisy vola teny amin’ity tovolahy ity dia tsy nisalasala ireo olon-dratsy nitifitra avy hatrany. Bala niisa teo amin’ny efatra teo no niantefa teny aminy, raha ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpitandro filaminana, tonga haingana teny an-toerana. Na teo aza anefa ny ratra nahazo azy, dia mbola niady sy nanohitra hatramin’ny farany ity tovolahy mpanangom-bola ity. Araka ny filazan’ireo mponina nanatri-maso dia tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina tany ho any no niseho ity tranga nampivarahontsana ireo mpiantsena maraina teny amin’iny faritra iny. Efa somary bebe olona ihany amin’izany fotoana izany ary efa mazava ny andro kanefa dia mbola sahy ireo olon-dratsy. Raha ny fantatra hatrany mantsy, iny avy nanangona ireo vola hany sisa tsy vita ny hariva ity tovolahy dia niandry ny namany teo an-tampon’ny tohatohabaton’Ambondrona teo. Tamin’izany no bandy iray nanatona azy, narahana lehilahy telo nitondra môtô “scooter”. Tsy nisy alaharo fa avy hatrany dia nosintonin’izy telo lahy ny sakaosy nisy ny vola tany amin’ity tovolahy ity. Efa tonga teo an-toerana ihany koa ilay naman’ity farany saika haka azy amin’ny fiara ka nifanampy niara- nitazona ilay sakaosy. Rehefa tsy nety azon’ireo jiolahy anefa izany, avy hatrany dia ny basy poleta teny amin’ireo jiolahy no nampiasainy. Bala efatra no indray niantefa teny amin’ny kibon’ity tovolahy mpitaky vola ity. Nanomboka nihoraka sy niantsoantso vonjeo ihany koa ny olona. Naratra mafy ilay ranamana voan’ny bala saingy tsy navotsotr’izy ireo mihitsy ilay sakaosy. Hany herin’ireo olon-dratsy dia nitsoaka nandositra. Tonga ara-potoana teny an-toerana ihany koa ny pôlisy rehefa nampandrenesin’ireo mponina teny an-toerana. Novonjena haingana teny amin’ny hôpitaly kosa tetsy andanin’izay ilay tovolahy naratra. Tsy nahazo n’inona n’inona ireo olon-dratsy saingy efa nandatsa-drà sy nandratra olona. Miantso ireo mponina foana ireo mpitandro filaminana mba hiantso azy ireo ara-potoana ary mba ho mailo foana amin’ny atao. Indrindra fa ireny tovolahy ampiasain’ireo orinasa mpanangona vola ireny. Mazàna mantsy dia efa efa voatily efa ela izy ireo ka miandry hirika fotsiny ireo olon-dratsy hanantanterahana ny asa ratsiny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici