Somary tranga hafakely no niseho tetsy Ambondrona, tao amina fiangonana iray teny an-toerana. Raikitra ny sakoroka nandritra ny fotoam-pivavahana. Vokany, mpiangona iray no naratra vokatry ny vely baiboly nataona tompon’andraikitra taminy. Raha samy nivonombona handeha hivavaka tokoa mantsy ny ankabeazan’ny rehetra omaly. Zavatra hafa tanteraka no niseho nony tonga tany am-piangonana. Araka ny filazan’ireo mpiangona, dia misy ny fitakiana ataon’izy ireo, ho fanoherana ny fametrahana pasitera vaovao tao amin’ity fiangonana ity. Teo anatrehan’izany dia nitondra soram-baventy mihitsy ny ankabeazan’ireto mpivavaka ireto. “Tsy eken’ny mpivavaka ny fisisihana ataon’ny Synôdam-parintany, hametrahana pasitera vaovao ato aminay” hoy ny filazan’izy ireo. Araka ny fantatra tokoa dia noesorina tsy amin’ny toerana ny pastera teo, ary izao saika nosoloina hafa izao. Vao avy nandalo fandidiana tany am-pitandranomasina ity mpitandrina teo aloha ity, raha ny nambaran’ireto mpivavaka hatrany, ary volan’ny kristiniana miampy ireo malala-tanana madiodio no nanaovana izany. “Misy tsy ara-drariny, hoy izy ireo, izao tsy famelàna ity mpitondra fivavahana, hitandrina ao amin’io fiangonana io”. Vao maraina no tonga teny an-toerana ny delegasiona avy amin’ny Synodam-paritany, saika hametraka an’ilay mpitandrina vaovao. Vao teny am-baravarana anefa dia efa notohanan’ireo mpiangona maromaro izy ireo, tsy navela hiditra. Nisy sasany tamin’tompon’andraikitra tao anatiny kosa no nanaiky ity fametrahan-toerana ity ka nifamaly tamin’ireo mpiangona sasany, ary niafara tamin’ny fikasihan-tanana mihitsy. Teo no raikitra ny vely baiboly, ara-bakiteny. Vehivavy iray no voa teo amin’ny orony ka naratra ary nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Nony farany, niverin-dalana ireo delegasiona, tsy tontosa ilay fametrahana an’ilay mpitandrina vaovao. Inona no ambadika ? Fanontaniana eny imolotry ny rehetra io, ary inoana fa hisy valiny ato ho ato. Manomboka any amin’ny mpianatra, ary izao hatrany amin’ny mpivavaka izao, toa lasa lamaody indray tato ho ato izay, ity fitakiana miafara amin’ny sakoroka ity. Ny tsy ampy kely tamin’ny tabilao angaha dia ny tsy fahatongavan’ireo Emmo …
m.L