- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondrona : Telolahy mitam-basy nanendaka vazaha tao anaty taxi

Ambondrona : Telolahy mitam-basy nanendaka vazaha tao anaty taxi

Ny alin’ny alarobia teo no nitrangan’ity fanafihana mitam-basy ity. Nandeha fiarakaretsaka ny vazaha iray rehefa tratra alina tamin’izay nalehany. Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany, raha nandalo teo Ambondrona ny fiara nitondra azy, dia nijanona ny mpamily ilay fiarakaretsaka ary nilaza fa lany lasantsy ka mila manampy izany avy hatrany. Nosokafana ny “malle arrière” satria ao no nolazainy ho misy ny solika. Teo am-pikenonkenoana momba izany ilay mpamily no nisy telolahy nipoitra tampoka avy tao anaty maizina ary nanambana basy ilay vazaha. Norahonana sy noterena izy mba hanome ny finday teny aminy sy ny vola. Lasa tamin’ity fanafihan-jiolahy ity ny vola vahiny 540 euros, ny finday Iphone ary koa ny fakan-tsary raitra iray teny am-bozonany. Rehefa nandeha ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana dia ahian’izy ireo ho ilay mpamily fiarakaretsaka ihany no atidoha nikotrika ity fanafihana ity. Ny antony dia satria efa imbetsaka loatra no niverimberina teo an-toerana ny endrika asan-jiolahy toa izay nitranga. Izany hoe mody lany lasantsy dia mijanona ary mipoitra miaraka amin’ny basy avy eo ny mpiray tsikombakomba, izany dia mba hoentina hanamorana ny helok’ilay mpamily, ary amin’izay fotoana izay dia samy ho afa-maina ny rehetra. Mivadika tanteraka ny rasa, raha zohina ny zava-misy. Matoa mantsy mandeha fiarakaretsaka ny olona ary amin’ny andro alina, dia mba hiarovana ny tenany izany. Dia izao mbola voatafika izao ihany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici