
Rehefa vory vahoaka toy ireny, hoy ny pôlisy, dia tsy maintsy manao ny ataony foana ireo olon-dratsy. Soa ihany, efa nivonona tanteraka ny amin’izany izy ireo ary efa nametraka paikady manokana nentina nitiliana fotsiny ireo tontakely. Mpitandro filaminana an-jatony maro no fantatra fa nahetsika nandritry ny fampisehoana maimaimpoana nataon’ny tarika Ambondrona ny alahady teo, tetsy Analakely. Efa nandrasana mantsy fa tsy maintsy ho olona aman’arivony, aman’hetsiny no ho tonga teny an-toerana ary dia ireny niara-nahita ireny. Mazava ho azy, rehefa ny olona no betsaka, tsy lavitra mihitsy ny tontakely. Ankoatr’ireo mpitandro filaminana nilanja basy, niezaka nandamina izany andian’olona marobe izany, dia nambaran’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena fa nametrahana polisy nanao fanamiana sivily marobe ihany koa, nasaina nitsirika tanaty olona rehetra tany. Vantany vao nahazo fitarainana fahaverezan-javatra avy amin’ireo olona izy ireo dia miezaka mitily avy hatrany izay mety ho tompon’antoka tamin’izany. Firindran’asa nahomby izay nahazoam-bokatra nony vita ny fampisehoana, satria nahatratra valo ireo tontakely, izay tratra am-bodiomby mihitsy ny sasany, teo am-panaovana ny asa ratsiny. Ny nahagaga sy nahavariana dia saika mbola zaza sy ankizy tsy ampy taona izy ireo. Vao omaly tokoa izay no nitondra teto mahakasika ireo andiana zaza tsy ampy taona mpirenireny, manao andiany manendaka sy mangarom-paosy, manodidina an’Analakely sy Antaninarenina iny. Efa tsy vitsy tokoa moa ireo mitaraina sy lasibatr’izy ireny. Voalazan’ireo efa tratra fa misy tokoa ireo tena mangataka sy tsy manan-kohanina. Tsy azo lavina izany hoy izy ireo, saingy misy kosa ireo efa manitatra ny sainy amin’ny asa ratsy ary miafina ao ambadiky izay fangatahana. Paik’ady izay mazàna entin’izy ireo mangarom-paosy sy manendaka fotsiny anefa izany, toy ireo tra-tehaka tetsy Antaninarenina, ny alahady vao maraina teo.
m.L
Sady misy maniraka no tsy fananana no maha tonga azy hanao asa ratsy, en manque de repère, tsy mianatra, tsy misy trano hialofana,tsy misy mihahy an’azy na ny ray aman-dreniny na ny fanjakana ( services sociaux..)