- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbondrona : Tifi-basy nandritry ny fanafihana

Ambondrona : Tifi-basy nandritry ny fanafihana

Nirefotra ny basy omaly tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany tolakandro omaly. Renim-pianakaviana avy naka vola tamin’ny « cashpoint » no notafihan’ny jiolahy roa. Teo am-pamahanana basy ireo no hitan’ilay ramatoa izay niantso vonjeo. Sendra nisy polisy nanao fanamiana sivily anefa teo amin’ny manodidina. Raha nahita izany dia nanatona avy hatrany ary niady tamin’ireo olon-dratsy. Azony ny basy teny an-tanan’ny jiolahy ary iny ihany no nitifirany an’ireo. Voa teo amin’ny tongotra sy ny tratrany ny iray ary tsy afa-nihetsika teo intsony. Ilay faharoa kosa tafaporitsaka ary mbola karohina. Nisahotaka ny manodidina satria tamin’ny fotoana mbola be mpivezivezy tamin’io. Afa-doza ilay vehivavy ary mendrika hoderaina kosa ilay polisy nanao vy very ny ainy. Ny tranga toa ity dia manaporofo hatrany fa mahomby ny fanaparitahana polisy manao fanamiana sivily na amin’ny fidirana an-tsehatra tampoka izany na amin’ny fanangonam-baovao.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici