- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondrona : Tsy nisy nivoaka ny olona na naneno aza ny kiririoka

Ambondrona : Tsy nisy nivoaka ny olona na naneno aza ny kiririoka

Nitsirika dia mainka koa aza nanamafy ny hidin-trano. Izany no nitranga nandritry ny antso vonjy izay nataon’ny mpiara-monina teo an-toerana. Tetsy Ambondrona no niseho ny vaky trano ary rehefa nampiasa fonoka ireo olon-dratsy dia tsy nandre izay nitranga ny tao an-trano. Ny mpiara-monina no nahatsikaritra ireo jiolahy ary nitsoka kirioka mba hanairana ny manodidina. Saingy tsy nisy nivoaka ny olona. Vokatr’izany dia trano efa foana no hitan’ny mason’ny tompon-trano raha vao nisokatra ny masony ny maraina. Lasa hatramin’ny vilany fandrahoana sakafo. Mba entina hilazàna izany fa tena tsy nisy namelan’ireo mpamaky trano izay azo nobataina tao ary nanara-po izy ireo. Nanampy ireo farany rahateo ny filatsahan’ny orana izay ankoatra ny fonoka nampiasainy dia nandrakotra ny tabataba sy ny feo. Notsofaina ny hidin-trano ary nibanaka tanteraka. Raha araka ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana dia telo no tompon’andraikitra tamin’ity vaky trano ity. Momba ny tsy fivoahana mamonjy indray dia mazava fa matahotra ny ainy koa ny olona. Matetika loatra mantsy no manana basy ny mpandroba ankehitriny. Tsy misy afa-tsy ny miantso mpitandro ny filaminana ihany izany no vahaolana raha vao misy ny asaratsy hitan’ny maso.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici