Saika hanafika tao Antanambao Amparihy, distrika Anjozorobe, ireo olon-dratsy no nifanehitra tamin’ireo zandary efa tsara omana tamin’ny fahatongavan’izy ireo. Raikitra ny fifandonana ka lavo tamin’izany ny lehiben’ireto dahalo nitarika ireo mpanafika.
Nahazo loharanom-baovao avy tamin’olona tsara sitrapo ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Anjozorobe, fa hisy andian-dahalo mitady hanafika tao amin’ny tananan’Antanambao Amparihy, kaominina Ambongamarina, ny faran’ny herinandro teo. Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva teo no azo ny vaovao ary nidina avy hatrany tany an-toerana izy ireo, izay tanàna tokony ho 25 kilaometatra miala ny tampon-tanàna. Alakamisy io andro io. « Napetraka avokoa ny paikady rehetra hiandrasana ireo mpanafika, niaraka tamin’ireo zandary nanao hetsika fampandrian-tany sy ireo andrimasom-pokonolona » hoy ny filazan’ireo zandary. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any no tonga tokoa ireo andian-dahalo, notarihana dahalo rain-dahiny iray fantatra amin’ny anarana hoe Ramanasoa. Raha vao nahita ireo mpitandro filaminana vonon-kiandry azy ireo ireo dahalo, avy hatrany dia nanomboka nitifitra. Efa nivonon-kanafika mihitsy mantsy izy ireo, araka ny angom-baovao voaray tokoa, kanefa tsy nampoizin’izy ireo ny fisian’ireo mpitandro filaminana miaraka amin’ny andriamasom-pokonolona efa tsara omana, hanohitra hatramin’ny farany ilay fanafihana. Raikitra teo ny fifandonanana. « Lavo tamin’izany ny jiolahy mpitarika azy ireo voalaza anarana eo ambony io, ka vaky nandositra ireo mpanaraka azy » hoy hatrany ny fanazavana azo. Azo teny am-pelan-tanan’ity olon-dratsy maty ity moa ny basy Mas 36, miaraka amin’ny bala folo, fentin’ity olon-dratsy ity manafika sy ny kara-panondrony. Na teo aza moa ny fifampitifirana dia tsy nisy nahiana ny ain’ireo mpitandro filaminana sy ireo andrimasom-pokonolona, hoy hatrany ny vaovao. Mbola mitohy kosa tany an-toerana ny hazalambo sy ny fikarohana ireo olon-dratsy tafatsoaka tamin’io fotoana io.
m.L