- Publicité -
mercredi, novembre 5, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmboniloha : Trano lehibe iray kila firehitra, zaza 3 taona namoy ny...

Amboniloha : Trano lehibe iray kila firehitra, zaza 3 taona namoy ny ainy

trano-may-1Trano lehibe iray no kila hotohoto, omaly maraina tetsy Alarobia Amboniloha. Zazalahy kely telo taona no namoy ny ainy tao anatin’izany hain-trano mahatsiravina izany. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany teo ho eo, no nitranga ny loza, raha ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerana.  Niainga avy tao amin’ilay efitrano nisy ilay zaza namoy ny ainy ny afo, ary niparitaka eran’ny efitra rehetra. Trano lehibe misy rihana ity ravan’ny afo ity, ary fianakaviana maromaro samy manana ny efitranony no nipetraka tao. Tamin’io fotoana io, raha ny filazan’Atoa Mamy, isan’ireo niharam-boina tamin’ity loza ity, dia tsy nisy afa-tsy ankizy no betsaka tao amin’io trano io. « Saika lasa nivoaka avokoa ireo olon-dehibe, tao ireo nandeha nivavaka, tao ireo niasa ». Torak’izany ihany koa no tao amin’ilay tokantrano niavian’ny afo. « Nandeha nivoaka niantsena fotsiny aho kanefa dia izao no novantaniko » hoy ity renim-pianakaviana namoy zanaka sy fananana tao anatin’ny indray mipi-maso maso ity. Raha ny fantatra teny an-toerana tokoa, dia ankizy nilalao afo tao an-trano no nahatonga ny loza. Vao nandray ireo fanaka tao an-trano anefa ny afo, dia nihazakazaka nitsoaka izy ireo. Ny setroka nijolofotra avy tao amin’ilay efi-trano kosa no nahataitra ny maro. « Manana olana ara-batana ilay zaza, ka izay indrindra no nezahinay novonjena raha vao nahita ny afo izahay. Voatery namotika varavarankely mihitsy aza nidirana tao kanefa efa afa-nanoatra intsony. Efa nijoalajoala tsy nisy toa izany ny lelafo » hoy ny fitantarana tovolahy iray teny an-toerana hatrany. Vao mainka nanamafy ny herin’ny afo rahateo ny toetr’andro omaly somary maina, nampian’ireo hazo efa nahazo taona ihany nandrafitra ny trano. Niitatra tsy nisy toy izany ny afo, nandrava tanteraka ilay tranobe. Ambonin’ny aina nafoy, izay efa vatan’ity zaza mikarainkona sisa no nalaina tao anatin’ireo tapa-porohana navelan’ny afo. Tsy nisy avotra ihany koa ny entan’ireo fianakaviana maromaro tao amin’ity trano: Vola, fanaka, biby fiompy. Tsy nisy afa-tsy ny fitafian’izy ireo teny an-kodiny sisa tavela. Tamin’ny 12 ora tany ho any moa vao voafehy tanteraka ny fahamaizana, rehefa tonga ireo fiaraben’ny mpamonjy voina, nanampy ireo fokonolona tamin’ny famonoana ny afo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici