- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbonisoa Ilafy : Mpamaky trano telo voasambotra

Ambonisoa Ilafy : Mpamaky trano telo voasambotra

Olona telo no fantatra amin’izao fotoana izao fa nosamborin’ny zandary avy ao Ankadikely, noho ny resaka vaky trano niseho teny amin’ny tanana antsoina hoe Ambonisoa Ilafy tamin’ny 8 janoary teo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana, fa maromaro ireo jiolahy no nandroba trano iray. Tamin’ny 2 ora sy sasany maraina no tonga teo amin’ilay toerana izy ireo. Nisy varavarana tsy nihidy hitan’izy ireo ary nihanika ry zalahy niditra ny trano. Rehefa izany dia novahany ny tany ambany rihana ary  niditra  ireo olon-dratsy. Araka ny fantatra dia nanjaka tao amin’ilay trano novakiana ireo olona ireo. Nisy ny nidaroka ny tao an-trano ary roa no naratra mafy. Ny iray amin’ireo naratra ireo dia mbola any amin’ny hopitaly ary voalaza fa tsy mahatsiaro tena. Nisy ihany koa ny nanangona ny entana rehetra. Voalaza hatrany fa naharitra fotoana ela tokoa ireo jiolahy nijanona tao amin’ilay trano. Rehefa azony izay nilainy vao lasa nandeha izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa monina eny Namontana Anosibe ireto mpangalatra ireto. Avy any Faratsiho kosa ny fiaviany. Telo aloha ny tratra fa misy telo hafa karohan’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ireo voasambotra.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici