- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmboropotsy Talatamaty : Jiolahy avy nanafika teny Bel’air voasambotra tao anaty taxibe

Amboropotsy Talatamaty : Jiolahy avy nanafika teny Bel’air voasambotra tao anaty taxibe

Angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafana namantatra ara-potoana fa misy andian-jiolahy nanafika orinasa teny Bail air miriaria eny Amboropotsy Talatamaty eny, omaly. Tsy niandry ela ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty ka nideina ifotony avy hatrany. Raha na hita ireo zandary ireto jiolahy izay tao anaty bus dia nitifitra avy hatrany. Raikitra ny fanenjehana sy ny fifampitifirana. Noho noho ny fhaiza-manao an’ireo zandary anefa dia vosambotra ireo joilahy izay miisa telo. Tsy nisy ny naratra tamin’izany. Arakan y fanatra ny orinasa Auto Kams eny Bel air no notafihin’ireto jiolahy ireto omaly 9 desambra ka nahazoan’izy ireo 69 000 000 ariary. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny 51 000 000 ariary miaraka amin’ny basy poleta roa sy bala 14. Nifampizaran’izy ireo moa ireo vola voaroba ka izay no tsy nahafeno ireo vola satria misy mbola tafaporitsaka tsy nandeha bus ny sasany izay mbola karohina ary efa fantatra avokoa.

Nandritra ny famotorana no nahafantarana fa ny iray tamin’izy ireo dia jiolahy mpamerin-keloka izay vao avy nivoaka ny fonja. Mitohy ny famotorana lalina ahafantarana ny tena antsipirihany. Ny Zandarimaria Ambohidratrimo dia manentana ny tsirairay hifampita vaovao mahakasika ity tranga ity mba ahasaronana ireo jiolahy mbola tafaporitsaka.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici