Akory ny hatairan’ny olona nahita ity lehilahy iray, 35 taona, nihantona tamin’ny tady teny ambony manga ny asabotsy teo tany Amborovy, Mahajanga. Tsy dia lavitra loatra ny trano nonenany ny toerana nahitana azy. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tsy dia nisy olana taminy sy ny fianakaviany. Ny reniny no nilaza fa tsy mety mandeha miasa fahavelony ny anao lahy. Nisy anatranatra natao azy tamin’izany. Teo anoloan’izany, tsy niteny ilay lehilahy. Rehefa tonga anefa ny alina, voalazan’ny vaovao fa namboariny ny entany, naka tady izy dia lasa nivoaka ny trano. Ny maraina, olona handeha haka rano no nahita azy efa nihantona, taitra mafy tokoa. Tonga dia nilazana ny tao an-tranony. Nojerena ka efa tsy nisy aina intsony ilay olona. Nampilazana ny avy ao amin’ny BMH ary tonga nitsirika ny razana ny dokotera. Io farany io dia nanamafy fa efa maty tokoa io lehilahy io ary karazan’ny namono tena.
Articles qui pourraient vous intéresser