- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra 2 : “Coach sportif” i Maître Haja

Ambositra 2 : “Coach sportif” i Maître Haja

Mpampikotrana eny anivon’ny “sale de musculation” no hahafantaran’ny maro an’i Maître Haja. Io farany izay notapahin-doha sy nodorana, raha hiverenana kely. Diso arak’izany ny filazàna fa mpisolovava izy. Efa mandeha ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ankehitriny ary manintona ny sain’ny besinimaro satria tafahoatra ny habibiana nihatra tamin’ity lehilahy ity. Raha tsiahivina dia niala tao an-tranony izy ny alakamisy lasa teo ary nilaza ny ho any Ihosy noho ny asany. Ny zoma maraina dia mbola nisy nahita. Ny alahady kosa dia ny lohany no nisy nahita teo amoron-drano. Roa andro taorian’izay dia hita ny vatany izay nalevina tao anaty lavaka lalina. Ny ratsan-tanany izay nisy peratra no hany sisa namantaran’ny fianakaviany azy. Inona ny anton’ity famonoana amin’ny fomba feno habibiana ity? Mbola samy miandry ny valiny ny rehetra  

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici