Tsy mandry fahalemana ny ao an-tampon’ny tanànan’Ambositra, na ny andro na ny alina, toy ny zava-nitranga ny alakamisy faha 6 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora antaoandro. “Cash point” MVola iray ao Alakamisy, akaikin’ny “cyber-teno” no lasibatr’ireo mpanao ratsy. Nambanana ny jiolahy basy ilay ramatoa tomponandraikitra, dia lasan’ny vola rehetra.
Mbola ao anatin’ny fanadihadihana tanteraka ireo mpanao famontorana, na dia niezaka niantso vonjy ilay ramatoa, dia tsy tratra intsony ireo mpanao ratsy. Miainana ao anatin’ny tebiteby araka izany ny vahoaka eto an-tampon’ny tanàna sy ny eny ambanivohitra na ny andro na ny alina
Anastase