Mirongotra izay tsy izy, ankehitriny ny doro tanety manerana ny faritra Amoron’i Mania. Manampy trotraka an’izany ny asan-dahalo. Miaina ao anatin’ny tahotra sy tebiteby lalandava ny mponina na andro na alina tsy afa manohitra. Trano fonenana telo, « poteaux » ny Jirama telo no may kila forehitra ny alin’ny Talata 06 oktobra lasa teo, tao Ambohinaivo, fokontanin’Ilanitra, andrefan’ny tanànan’Ambositra. Izany, dia vokatry ny doro tanety. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy fa ny zavatra rehetra tao amin’ireo trano bozaka dia tsy nisy azo noraisiny.
Fantatra ihany koa fa vokatry ny tsy fandriampahalemana dia lasibatry ny dahalo ihany koa ireo sekolim-panjakana amin’ilan’andrefan’iny ao anatin’ny distrikan’i Manandriana sy Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania. Lasibatra amin’izany ireo « table-banc » vita amin’ny vy na ireo « table-banc métallique » irony. Angalarin’ireo mpanao asa ratsy ny vy anaovan’izy ireo basy vita gasy. Nefa amin’ireo sekolim-panjakana sasany, zara raha misy ny “table banc” mba hipetrahan’ireo mpianatra,izay manao taingimbe. Mirongatra izay tsy izy ny fanafihan’ireo dahalo na andro na alina. Tsy afaka mamokatra ny mponina. Moa ireo tranom-panjakana amin’ny ankapobeny, dia tsy misy “gardien” na mpiambina, ka manararaotra ireo mpangalatra na eto an-tanàn-dehibe izany, fa indrindra ny eny ambanivohitra. Very araka izany ireo fananam-bahoaka tsy toko tsy forohina.
Anastase