Nomarihina tamin’ny fomba manetriketrika ny alahady 27 jona 2021 lasa teo ny famaranana ny jaobily fankalazana ny faha-20 taonan’ny Paroasy Ekar Masindahy Piere sy Paoly Ambohimiadana Ambositra sy ny famaranana ny faha-50 taona nampahaleo tena ny Faritra Zezoita eto Madagasiaka.
Ny lohahevitra nentina nanamarika izany moa dia ny hoe « Tompo ô, inona no tianao hataoko….. » Asa 9, 6. Nisy ireo tsangambato notokanana namarika izany faha-20 taoa izany amin’ny alalàn’ireo zava-bita marososona, dia ny fanitarana ny Foyer St Ignace. Eo ihany koa ny fanavaozana ny Fiangonana sy ny Tranon’ny Pretra. Narahin’ny nofon-kena mitam-pihavanana nanamarihana ny fety amin’ny maha-malagasy. Nitarika ny Sorona Masina lehibe ny Evekan’Ambositra Sem Fidelis Rakotonarivo sy ny lehiben’ny Fikambanan’i Jesoa eto Madagasikara, RP Ratsimbazafy Fulgence, sj notronin’ireo Pretra maro sy ny Filankevitra avy ato amin’ny faritra afovoany. Nanome voninahitra ny fotoana moa ny Préfet ao Ambositra, Atoa Rakotomalala Richard, izay nisolo tena ny fitondram-panjakana sy ny ben’ny tanànan’Ambositra renivohitra, Haingo Nambinina.
Anastase