- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Fanafihana tao Antafotona, dahalo 04 azo sambo-belona

Ambositra : Fanafihana tao Antafotona, dahalo 04 azo sambo-belona

Taorian’ny fahafihan-dahalo nitam-basy nitranga tao amin’ny Fokontany Antafotona,  Kaominina ambanivohitra Marosoa, any amin’ny Distrikan’ Ambositra, ny narain’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny roa ora, izay nandrobana folo lahy nitam-piadiana tranombarotra iray, ka lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny vola sy entana maro isan-karazany tao amin’ity toeram-pivarotana sady trano fonenana ity, ary naratra mafy voatifitra nandritra ny fanafihana ny renim-pianakaviana tompon-trano. Raha vao naheno ny poa-basy sy antso vonjy ny manodidina, dia niantso avy hatrany mpitandro filaminana ka raikitra ny fanenjehana an’ireo mpandroba. Tokony ho tamin’ny dimy ora naraina, nifanehitra tao Avaratsena any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambalasoaray ny mpanara-dia sy ireo dahalo, ka raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Dahalo iray maty voatifitry ny Zandary tao Kianjandrakefina, raha rifatra nandositra nitsoaka nanavotr’aina kosa ireo namany, ary  navelan’ireo olon-dratsy teo ny entana avy nangalarina. Tsy nionona tamin’ny nahalavo an’ity dahalo ikoizana ity ny fanarahan-dia an’ireo olon-dratsy nataon’ny Zandary sy ny Fokonolona, fa nitohy, ka dahalo  efatra tamin’ireo mpandroba indray no voasambotra, afakomaly. Aorian’ny famotorana dia hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela ireto dimy lahy azo sambo-belona, raha mbola mitohy kosa hatramin’izao, raha ny tati-baovao voaray, ny fikarohana an’ireo namany  dimy tafaporitsaka izay mbola miriaria any.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici