Toy ny faritra 22 manerana ny Nosy, dia tsy latsa-danja tamin’ny fahatsiarovana ireo maherifo maty tamin’ny tolona 29 marsa 1947 ny vahoaka eto amin’ny faritra Amoron’i Mania. Nisy araka izany ny fanamarihana natao tamin’ny tsangambato natokana ho an’ireo maherifo ao Andrefantsena-Ambositra tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo sy fanomezam-boninahitra nataon’ny zandarimariam-pirenena..
Hetsika natrehan’ireo manam-pahefana sivily sy miramila, notarihin’ny lehiben’ny faritra Amoron’i Mania vonjimaika. Tsikaritra ihany koa ireo kandida solombavambahoaka vitsivitsy tonga nandray anjara tamin’izao hetsika izao, ka anisan’izany ny kandida David Exedy, natolotry ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina ho an’ny distrikan ‘Ambositra.
Anastase