- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Fisorohana ny pesta, hihenjana ny « prefecture » amin’ny...

Ambositra : Fisorohana ny pesta, hihenjana ny « prefecture » amin’ny fampiharana ny fepetra

“Fanadiovana ny tanànan”Ambositra renivohitra ataon’ny kaominina”. (Sary Anastase)

Tafapetraka  eo anivon’ny « préfecture »-n’Ambositra ny « cellule de veille ». Hentitra arak’izany ny fampiharana ireo fepetra noraisin’ireo manampahefana isan-tokony ho fisorohana ny valan’aretina pesta, nanomboka tamin’ity herinandro ity. Marina fa ny eto Ambositra sy ny faritra Amoron’i Mania, dia  mbola tsy nahitana soritra aretina.

Fanentanana. Arak’izany efa  mandeha ny fanentanana isan-karazany ho an’ny vahoaka tsy an-kanavaka, ataon’ireo onjampeo misy eto an-toerana, mikasika indrindra ny fanentanana momba ny fampahafantarana ny valan’aretina pesta sy ny fomba fisorohana azy. Anisan’izany ny fanamafisana ny fahadiovana eo anivon’ny tokantrano tsirairay avy amin’ny fanesorana ny lobolobo sy ny rano miangona ary  ny fampiasana ny lava-pako ary mipaka amin’ny fokontany rehetra misy eto an-tanàna, fiaraha-miasan’ny vahoaka miaraka amin’ny kaominina. Entanina manokana ireo fokontany be mponina, toy ny fokontany Alakamisy, Iajaky- tsenan’Asabotsy. Ho an’ireo “stationnement” toy ny ao Alakamisy sy ao Iajaky, dia hisy ny fiaraha-mientana miaraka amin’ireo mpianatra ho  zandary. Aoriana izany, dia hisy ny fisavana  isan-tokantrano hataon’ireo manampahefana miaraka amin’ireo  mpitandro ny filaminana ho fampiharana ireo fepetra.

Fitilina. Eo anivon’ny tobim-pahasalamana araka ny fanazavana nataon’ny “préfet”-n’Ambositra, dia misy ireo fitiliana na ny “teste rapide” hatao  amin’ireo marary ;  izay  handeha hanao “visite”. Hisy ny fanaraha-maso akaikin’ny fahasalamana an’ireo vahiny mandalo ka mipetraka amin’ny  hotely. Manantena arak’izany ny “préfet”n’Ambositra mba hisian’ny fiaraha-miasa ny rehetra ho fisorohana ny valan’aretina peste.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici