- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Gadra nandositra avy an’i Antsirabe voatifitra ny polisy

Ambositra : Gadra nandositra avy an’i Antsirabe voatifitra ny polisy

Nandeha be ny resaka tato ho ato eto Ambositra, mikasika ny tsy fandriampahalemana  mahazo vahana eto amin’ny renivohitry ny faritra Amoron’i Mania, saiky isan’andro. Anisan’ny naha be resaka ilay dahalo nanafika tao amin’ny fokontany Manolotrony, ny talata 12 desambra lasa teo, ka voatifitra ny polisy ary naratra sy nampidirana tao amin’ny hopitaly be. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ ny polisy fa gadra nandositra avy amin’ny fonjan’Antsirabe ilay jiolahy . Ny alatsinainy 17 desambra lasa teo, dia tonga tao amin’ny hopitaly-be Ambositra, naka an’ilay dahalo ny mpiandry ny fonja avy any Antsirabe, izay mbola mandalo fitsaboana sy fanadihadiana ary mbola eo am-pikarohana ny namany. Matoky ny fahendren’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Ambositra, ny vahoaka amin’ny fanohizana ny fanadihadiana sy ny fitsarana miandry ity olon-dratsy ity, noho ilay trangan-javatra niseho teto Manolotrony-Ambositra. Mikasika ny tsy fandriampahalemana ihany, nisy trangam-panafihana ny talata 18 desambra lasa tokony ho eo amin’ny 10 ora maraina teo, tao Manolotrony ihany, ka lasibatra amin’izany ny « gargote » iray ary lasan’ireo andian-jiolahy mitondra fitaovam-piadiana ny vola rehetra tao an-tsena.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici