Mihaina am-pilaminana kely ny mponina eto Ambositra, toarian’ny ezaka nataon’ny polisim-pirenena, ka nahatrarana ireo jiolahy enindahy. Ny alatsinainy alina 20 febroary lasa teo, dia nisehoana asan-jiolahy roa. Ny iray ,dia tao amin’ny kaominin’i Marosoa-Imady izay nahitana famakiana tranombarotra iray ary nahaverezana vola aman-tapitrisa. Ny tranga faharoa, dia, tao amin’ny trano fonenana iray teo amin’ny fokontany Ambanivolafotsy-Ambositra, ka naratrana ny tompon’ny trano izay mpivarotra akoho.
Ny andro altsinainy alina 20 febroary lasa teo ihany, arakin’ny fanazavana nataon’ny “commissaire divisionnaire” Razafindravonona Joseph, lehiben’ny “brigade régionale de la sécurité Publique” Ambositra, dia naharay antso an-telefonina ny polisy, fa nisy fanafihana niseho tao Marosoa-Imady. Nandray fepetra avy hatrany ny polisy, ka lasa tany an-toerana ary nametraka sakana tao Fasimena, fa teo no heverina fa andalovana ireo jiolahy. Tsy nahitana vokatra anefa ny paikady, dia nitohy tany Ambositra ny fisavana ny olona nivezivezy tamin’io alina io, ka olona roa izay nampiahiahy nitondra gony ary nahitana basy vita gasy sy fitaovana famakina trano no nanombohan’ny polisy ny famotorana. No nataon’ny famontorana lalina, arakin’ny voalza ny “commissaire divisionnaire”ihany, dia niaiky izy roa lahy, fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ireo trangan-javatra roa ireo ary nanondro ireo namana sasany efa-dahy.
Marihina fa ireo jiolahy enina ireo, dia saika tompon’antoka tamin’ireo fanafihana nisy tao Ambositra sy ny toerana maro samihafa ary olona efa nigadra sy namerina heloka (récidiviste). Natolotra tamin’ny fampanaovana ny alakamisy lasa teo izy enin-dahy ary nampidirana am-ponja vonjimaika. Feno olona ivelan’ny lapan’ny fitsarana tamin’io fotoana io, ka natahorana ny nisian’ny fitsaram-bahoaka. Soa ihany fa nizotra am-pilaminana ny raharaha. Manao antso avo manokana ho an’ ireo tomponandraikitra ny fitsarana ny vahoaka eto Ambositra, noho ireo heloka nisesisesy vitan’ireo jiolahy raindahiny ireo, ka mendrika amin’ny fampiarana ny lalàna misy ialana amin’ny fitsaram-bahoaka any aoriana any.
Anastase