- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra - Jiolahy raindahiny : Nohamafisin’ny fikambanana mampiray ny tamboho ny fonja

Ambositra – Jiolahy raindahiny : Nohamafisin’ny fikambanana mampiray ny tamboho ny fonja

Betsaka ireo jiolahy raindrahiny no voatana ao amin’ny fonjan ’Ambositra, ka atahorana ny hitsaoka vokatry ny fotodrafitrasa efa tranainy, fa indrindra ny tamboho. Eo anatrehan’izany dia nanao fangatahana fanampiana avy amin’ny fikambanana mampiray ny tale iraisam-paritry ny fitantana ny fonja ao Fianarantsoa.

Tontosa ankehitriny ny asa fanamafisana ny tambohon’ny fonja nataon’ny fikambanana Mampiray, izay mitentina 6 tapitrisa ariary. Tonga nanolotra ny asa vita ny 24 novambra lasa teo, ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena voafidy ao amin’ny faritany Fianarantsoa, Hary Andrianarivo, sady filoha nasionaly mpanorina ny fikambanana Mampiray. Nambran’i Hary Andrianarivo tamin’izany fa izao ezaka nataon’ny fikambanana mampiray izao dia tafiditra ao amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, ho fiarovana ny vahoaka. « Sambany teo amin’ny tantaran’ny fitantana ny fonja eto Fianarantsoa no nisy solombavambahoaka nanolotra fanampiana toy izao”, hoy Rtoa tale iraisam-paritra amin’ny fitantanana ny fonja ao Matsiatra Ambony, izay miandraikitra ny faritra Amoron’i Mania sy Ihorombe, ka nisaotra ny fikambanana mpanao asa soa Mampiray. Tsy nohadinoin’ity tomponandraikitra ambony amin’ny fitantana ny fonja ity ny nanao antso avo ho an’ireo fikambanana isan-tsokajiny mba   hifanome tanana amin’ireo ezaka atao amin’ny famerenana ireo voafonja ho eo anivon’ny fiaraha-monina, ka anisan’ny manana anjara betsaka amin’izany ny « société civile ».

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser