Mitohy hatrany ny ady amin’ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana ataon’ireo zandary any amin’ireo faritra maro manerana ny Nosy. Fisafoana ireo toerana mafampana, izay nataon’izy ireo izao no nahatratrarana sakaosy iray, izay nariana telolahy mampiahiahy, tao amin’ny fokontany Manarintsoa, any amin’iny kaomina Mahasoa, distrika Ambositra iny. Rehefa nosavaina ity sakaosy dia nahitàna basy “kalach” miisa roa, sy bala am-polony maromaro tao anatiny. Ireo nanipy ity entana ity kosa dia tafaporitsaka ary karohina fatratra amin’izao. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia efa fantatra ny mombamomba azy ireo, satria dia nahitàna karampanondro tao anatin’ilay kitapo nisy ilay basy. Saika hatao inona ary avy aiza ? Ity fanontaniana farany ity angamba no tsy maintsy hiandrasana izay vokatry ny fanadihadiana ataon’ireo zandary misahana iny faritra iny. Raha ny hoe atao inona indray dia azo inoana fa nokasaina hanaovana fanafihana izany fitaovam-piadiana mahery vaika izany. Eto moa dia miantso hatrany ny fokonolona sy izay olona tsara sitrapo ny eo anivon’ny zandarimarim-pirenana amin’ny fiaraha-miasa sy fanomezam-baovao azy ireo, hikarohana ireto olon-dratsy ireto.
m.L