Nandriaka indray rà tany Ambositra, faritra Amoron’i Mania, ny alin’ny asabotsy hifoha alahady 26 oktobra teo. Tokony ho tamin’ny 10 or, dia tokantrano telo samihafa, toeram-pivarotana ny iray, no indray nasesin’ireo dahalo nirongo basy norobaina tao amin’ny fokontany Morafeno-Ambany. Tsy nanaiky lembenana ny tompon-trano ka namaly bontana ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy. Olona iray tamin’ireo voatafika no maty tsy tra-drano voatifitra, telo hafa naratra mafy, ka vehivavy ny iray. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana mahazo laka ao an-tampon-tanànan’ Ambositra dia nohamafisin’ny mponina any an-toerana ny fiambenana amin’ny alina.
Manitrisa