- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Mahazo vahana ny asan-jiolahy

Ambositra : Mahazo vahana ny asan-jiolahy

Na dia manao ny aina tsy ho zavatra aza ireo mpitandro ny filaminana, dia tsapa tato ho ato fa mirongatra ny asan-jiolahy eto Ambositra an-tampon- tanàna. Misesisesy ny halatr’omby, ny vaky trano, vaky mangazay, sns. Tsy misy ny herinandro, tsy nandrenesana asan-jiolahy.

Ny alarobia alina teo, tokony ho tamin’ny misasakalina, dia omby efatra no lasan’ny dahalo tao amin’ny fokontany Vatovory. Tonga teny an-toerana ny polisy rehefa naharay antso, saingy efa lasa lavitara ny dahalo. Nandeha ny fanarahan-dia nataon’ ny fokonolona, ka omby roa no tafaverina. Tranga mitovy amin’izany ihany koa no niseho tao  Andidy, ny alarobia alina teo ihany, omby dimy no lasa ary telo tafaverina.

Manao antso avo ho an’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana mba ho mailo hatrany ary hiantso ny mpitandro ny filaminana, raha vao mahatsikaritra trangan-javatra mampiahiahy avy hatrany.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici