- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbositra : “Manana tanjona iombonana amin’ Andriamanitra ny polisim-pirenena…”

Ambositra : “Manana tanjona iombonana amin’ Andriamanitra ny polisim-pirenena…”

Toy ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy, dia tsy latsa-danja aminy  fakalazana ny faha- 55 taonan’ ny polisim-pirenena ny eto Ambositra, renivohitrin’ny faritra Amoron’i Mania.

“manana tanjona iombonana amin’ Andriamanitra ny polisim-pirenena, ho fitandroana mandrakariva ny fandriampahalemana.’”  hoy ny mpitandrina FJKM nandritra ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izay natao tao  amin’ ny fiangonana FLM , andrefantsena-Ambositra, ny 30 septambra lasa teo.  Fotoam-pivavahana nentin’ny fianakaviam-ben’ ny polisim-pirenena eto Ambositra notarihin’ny “commissaire divisionnaire”  Razafindravonona Joseph, “chef de la brigade regionale de la sécurité publique” sy Rtoa vadiny  ho fangataham-pitahiana amin’ Andriamanitra amin’izao nahatrarana izao faha- 55 taona  izao.

Fitandroana ny fahandriampahalemana. Nohamafisin-dRrtoa  Voahangindraibe Ravakiniaina Rasoanaivo “prefet d’Ambosita” fa tsy mikely soroka ny polisim-pirenena amin’ny fitandroana ny fahandriampahalemana, porofon’izany ireo trangan-javatra maro isan-karazany voizin’ ireo haino aman-jery, toy ny gazety, radio sy television. Nosoritan’ny lehiben’ny faritra Amoron’i Mania, Rakotomanankiafarana Joêl manokana ny eto  amin’ny distrikan’Ambositra sy ny manodidina : izay tsy dia nahitana trangan-javatra manahirana loatra mikasika ny tsy fahandriampahalemana vokatry ny fiaraha-miasan’ ny polisim-pirenena sy ireo  zandary. Ambositra izay lasa fialofan’ireo olona mitady vonjy  avy any ambanivohitra ka ianjandian’ny tsy fahandriampahalemana.

Modely. Izao fankalazana ny faha- 55 taonan’ny polisim-pirenena eto Ambositra izao, dia fotoana iray ihany koa, nentin’ny “commissaire divisionaire” Razafindravonona Joseph mivady  nanamafy orina hatrany  ny fifankatatiavana sy ny firaisankina ny fianakaviambe ny polisim-pirenena eto Ambositra, fa indrindra ny fifanajana ny vady aman-janaka izay  loharano mankany amin’ny fampivoarana sy ny filaminan-tsaina amin’ny fanatanterahana an-tsaka sy an-davany  ny adidy rehetra eto  amin’ny firenena, ka ho  modely eo anivon’ny  fiarahamonina. “Tsy mbola nahazo fanakianana amin’ireo lehibeko aho nandritran’izay 21 taona niasako izao” hoy ihany ny “commissaire divisionaire” Razafindravonona Joseph.

Ankoatra ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, anisan’ny nanamarika izao fety izao ihany koa ireo hetsika ara-panantanjahatena, fiaraha-misakafo, alim-pandihizana nokarakarain’ny  fianakaviamben’ ny  polisim-pirenena sy ireo mpiara- miombonantoka aminy.

Anastase

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici