- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : May nisy nandoro ny Epp Alakamisy

Ambositra : May nisy nandoro ny Epp Alakamisy

Efitrano telo nandalovan’ny afo, “table-banc” miisa 120  sy dabilio potika tanteraka . Izany no tombana vonjimaika vokatry ny hain-trano niseho ny alahady  maraina 24 septambra lasa teo, tao amin’ny « bâtiment préfabriqué » ao amin’ny  EPP Alakamisy-Ambositra. Noho ny fiaraisankina nisy teo amin’ny fokonolona manodidina sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra dia nalaky voavojy ihany io sekoly io. « Fanahininana natao izao zavatra izao », hoy ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Amoron’i Mania,  Ravelonanolohotsy Andrianasolo Charles, izay tonga tany an-toerana niaraka tamin’ireo manampahefana isan-tokony nijery ny zava-misy. Mpianatra miisa 120 araka izany no tsy manana efitrano fianarana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Fantatra ihany koa fa mifanakaiky amin’ny tsena  ao Alakamisy sy ny « stationnement » atsimo no misy an’io  EPP io, sady simba ny tamboho no  tsy manana « gardien », ka lasa toerana fialofan’ireo jiolahy amin’ny alina amin’ny fifohana ny zava-mahadomelina, ny fanaovana asa ratsy. Ilaina araka izany ny fandraisana andraikitra eo amin’ireo tomponandraikitra voakasika amin’izany, mba hamerenana amin’ny laonina ny haja sy ny hasin’ny sekoly, izay efa betsaka tamin’ireo olona no nahazo tombontsoa taminy ka anisan’izany ireo zanaka am-pielezana.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici