Tsy an-tanan-dehibe, tsy any ambanivohitra, na maraina, na antaondro, fa indrindra ny amin’ny alina, dia saika andrenesana asan-dahalo avokoa ny eto amin’ny faritra Amoron’i Mania saiky isan’andro. Tsy mijanona ireo dahalo raha tsy tapitra ny omby ao am-bala, na dia iverenana matetika aza, toy ny niseho ny talata teo, tokony tamin’ny sasaky ny alina, ny tao amin’ny fokontany Ambanivolafotsy, ao Ambositr renivohitra. Ny talata lasa teo,tokony ho tamin’ny saasaky ny alina, dia nitrangana fanafihan-dahalo ny ao amin’ny fokontany Ambanivolafotsy-Ambositra renivohitra, tsy lavitra ny hopitaly be. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny omby efatra. Noho ny firaisankina misy eo anivon’ny fokonolona, dia raikitra avy hatrany ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra akory ireo dahalo sy ny omby, izay niankandrefana, dia nitsoka an-daharana ireo dahalo, ary azo soa aman-tsara, tao amin’ny fokontany Andranomanalina-Soanierana ireo omby efatra.Tsy nisy ny fifandonana na koa ny aina nafoy. Mikasika ny tsy fandriampahalemana, ny ao amin’ny tampon-tanàna Ambatofinandrahana, dia efa tafatsangana ny komitin’ny Diana ary hohamafisana ny rafitry ny kalona andrasain’ny fokonolona sy ireo mpitandro ny filaminana anjara.
Anastase