Lehilahy iray sahabo ho 55 taona izay voalaza ho mpamaky trano, no nanamparan’ny olona hatezerany, ka matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambalamanakana, Distrikan’Ambositra, ny alakamisy lasa teo. Tsy namelan’ny fokonolona mihitsy raha tsy tapitra ny ainy, satria malaza ratsy amin’ny halatra, ary tsy mety fay amin’ny asa ratsiny ity rangahy gadralava ity. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia nahazo vahana ny vaky trano sy ny hala-botry tao amin’ity tanàna ity. Tokantrano iray no nisy namaky tamin’io alakamisy io. Niara-nientana avy hatrany ny mpiray tanàna leom-boan’anana nanao ny fikarohana, ka ity lehilahy ity no voapaingotra. Tsy nisy niantra azy ny rehetra, fa samy nanampatra ny hatezerany namono sy nidaroka azy avokoa, ka nitarika ny fahafatesany.
Eric Manitrisa