- Publicité -
samedi, février 28, 2026
AccueilFaits-DiversAmbositra : Mpianaka maty nihotsahan'ny trano

Ambositra : Mpianaka maty nihotsahan’ny trano

Omaly tokony ho tamin’ny efatra ora maraina no nitranga ny loza. Vokatry ny oram-be dia nihotsaka ny trano iray tao Ampandiamby-Ambositra. Renim-pianakaviana sy ny zanany kely iray no maty vokatr’izany, raha araka ny tatitra ofisialy. Trano mafy ary vita tsara amin’ny simenitra saingy noho ny orana mitohitohy dia ravan’ny rano ihany. Kivy tanteraka ilay raim-pianakaviana raha nahita ny vady aman-janany izay namoy ny ainy tao anatin’ity loza ity. Niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny sariny izay nitakoko teo anoloan’izy mianaka, teo anoloan’ny fandriana nametrahana ny razana. Nampihetsi-po ny olona tamin’ny aterineto izany. Mbola anatin’ny fahavaratra tanteraka ny eto amin’ny firenena ankehitriny. Mbola mila mailo arak’izany amin’ny fahasalam’ny fotodrafitrasa sy ny trano fonenana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici