- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Mpianatra ho zandary iray indray namoy ny ainy

Ambositra : Mpianatra ho zandary iray indray namoy ny ainy

Tovolahy iray indray no namoy ny ainy tao amin’ny sekoly mampiofana ho zandary ao Ambositra ny zoma lasa teo. Araka ny fanazavàna azo teo anivon’ny sampana seraseran’ny zandarimariam-pirenena dia vokatry ny aretim-bavony nahazo azy no nahafaty ity mpianatra ho zandary ity. Enina andro taorian’ny nidirany tao amin’ity andiany faha-73 iray ity, izany hoe ny 25 aprily lasa teo izy no efa nitaraina ho narary vavony. Efa talohan’izay aza izy, araka ny filazan’ireo namany, no efa nitaraina foana saingy tsy sahy niteny tamin’ireo mpiandraikitra. Asa raha hoe tahotry ny tsy ho afaka amin’ny fizaham-pahasalamana  natao. Tamin’io talata io no nilaza fa efa tena tsy zakany intsony ny aretim-bavony nahazo azy ka voatery nalefa tany amin’ny toeram-pitsaboana izy. Taorian’izay no voatery nalefa teny amin’ny hôpitaly tao Ambositra, raha ny fanazavàna azo hatrany. Indrisy anefa fa ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo no tsy tana intsony ny ainy tany amin’ny hôpitaly. Araka izany, tafakatra efatra ireo namoy ny ainy, tato anatin’ny iray volana izay, tany Ambositra, tamin’ny fidirana tamin’ity taona ity tao amin’ny Sekolin’ny zandarimariam-pirenena. Ireo telolahy, izay marihana fa mbola mpiadina, ary namoy ny ainy herinandro vitsivitsy izay ary ity farany ity, izay efa tafiditra mihitsy ho isan’ireo mpiofana ho zandary tao amin’ny andiany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici