- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Mpianatra ho zandary iray no hita faty teny amin’ny saham-pitifirana

Ambositra : Mpianatra ho zandary iray no hita faty teny amin’ny saham-pitifirana

Mpianatra ho zandary iray indray no namoy ny ainy tany Ambositra ny talata lasa teo. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia efa ho andro maromaro no tsy hita ity zazavao ity, ary afak’omaly vao hita faty, tsy lavitra ny toerana fanazaran-tena amin’ny fitifirana ao Ankofa. Voatifitry tsy nahy, tsy fahazakana kotrana sa vono olona? Mbola mipetraka ny fananontaniana. Hatreto dia mbola mijanona ho mistery tanteraka ny antony nahafaty ity mpianatra ho zandary ity. Nangatahana fanampim-panazavana mikasika ity tranga nahavalalanina ny maro ity, ny Jly Rakotoarison Anthony, Talen’ny fikarohana sy fandriampahelamana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Araka ny fanazavana nomeny dia ny herinandro lasa teo ireo mpianatra zandary tany an-toerana no nanatanteraka ny fiofanana voalohany amin’ny resaka fitifirana. Tsy vita ao anatin’ny indray andro izany fampiasana izany satria marobe ireo ankizy ka tsy maintsy nozaraina ho andiany. Isan’ireo andiany voalohany nananteraka izany ity zazavao ity. “Toy ny amin’ny resaka miaramila rehetra dia izay rehetra tsy mamokatra amin’ny fampiasana iray atao dia mahazo sazy maivana na “emmerdement”. Niisa teo amin’ny 60 teo izy ireo, izay nasaina nihazakazaka nandroso sy niverina, nihanika tendrombohitra, toerana manodidina io saham-pitifirana io hatrany. Tamin’izay fotoana izay no tsy hita izay nalehany ». Nanomboka teo ny fikarohana azy. Ny talata teo anefa no hitan’ireo andiany hafa, nanao fitifirana teo an-toerana ny vata-mangatsiakany. Mbola tsy dia nahitana fahasimbana ny razana, raha ny fanazavana azo hatrany.  Izany hoe mety ho vao haingana ihany ny nahafaty azy. Marihina fa toerana zara raha misy ala ity saham-pitifirana ity, tsy misy takontakona ary tsy lavitra ny Sekolin’ny zandarimariam-pirenena, miala eo amin’ny roa na telo kilaometatra eo ho eo. Misokatra ny fanadihadiana. Avy ao amin’ny andiany faha-71, vao nanomboka fiofanany ny 01 martsa teo Randriamanampaharetantsoa Aimpanantenana izao namoy ny ainy izao. Tarika indray nihira, niaraka tamin’Itpkl Antonio, mpianatra ho zandary maty teo am-piofanana, ny alatsinain’ny paka lasa teo. Mbola ao amin’ny Sekolin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambositra ny razana moa, araka ny fantatra hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser